Mamelà ny helokay

(Nirina Ramalala)

Mahatsiaro diso, ‘zaho Tompo,
Amin’ireo ratsy vitako
Teo anatrehanao isan’andro,
Koa mifona aminao ‘zaho.

Tsy tondrako eky ny nataoko,
Ka napetrako teo an-tsorokao Kristy
Mavesatra ankitiny iziò,
‘Zaho mahareñy, koa mangataka famelana zaho.

Mandia tany mety solafaka izahay, malilo,
Tsy hañapody eky
Ireny raha jiaby vita, zeñy no fañikiana,
Ka mamelà Tompo .

Tompo ô, Añao Mpanjaka,
Añao mpanala ny fahotana,
Mamindrà fò aminay Tompo,
Mamelà, mamelà ny helokay.

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 218
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748