Nodiako tsy heno

(Nirina Ramalala)

Nodiako tsy heno Tompo, ny bitsikao tato anatiko;
Miantso ahy isan’andro Ianao, kanefa afeniko ny tavako,
Mba tsy hibanjina Anao, mba tsy hibanjina Anao,
Fa variana loatra aho, amin’izao tontolo izao.

Tao anivom-pahoriana aho, no lasa nisento tsy nahy,
Tonga Ianao mba hampionona ahy, fa nafeniko ny tavako.
Mba tsy hibanjina Anao, mba tsy hibanjina Anao,
Ka miady irery aho, amin’izao tontolo izao.

Mifona aminao aho, mivalo aminao Tompo ô!
Mba ahirato ny masoko, hibanjina ny endrikao.
Hitondra ity kalisin-dranomaso,
Ho sorona atolotra Anao,
Ka ny fientan’ny foko, hidera ny fitiavanao e!
Sy hiantsa ny voninahitrao, ny voninahitrao ho hira,
Ho hira amin’ny fiainako mangina Ianao.Tompo ô.

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 218
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0234