Tsy mendrika aho Tompo ô

Nampiditra: admin
Sokajy: Fifonana,


  • Antsao ny Tompo p. "218

(Nirina Ramalala)

Tsy mendrika aho Tompo ô!
Ny hiray latabatra aminao.
Satria olon’izao tontolo izao,
Mifona aho, mibaboka aminao.

Marobe ny anjara adidiko,
Tsy vitako eo amin’ny fiainako.
Fa naleoko nanalavitra Anao,
Mifona aho, mihanta aminao.

Matahotra ny endrikao aho Tompo ô,
Noho ny fitiavan-tenako.
Koa adosoa hiala amin’ny ratsy aho,
Mifona aho, mibaboka aminao.

Tompo ô ! Mamindrà fo,
Fa tsy mendrika ny lanitr(a) izahay,
Hadinoy ny ratsy vitanay,
Mitalaho mba avelao ny helokay. (in-2)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay