Nanota taminao izahay

(Bernard Mbokony)

Nanota taminao izahay : ka mifona, Tompo !
Diso taminao izahay : ka avelao ny helokay !
Tompo ô ! Mamindrà fo !

Tompo ô ! Tompo ô ! (in-3).

Tompo ô ! Tompo ô ! (in-3)
Mamindrà fo aminay e, mamindrà fo (2)
Tompo ô ! Mamindrà fo aminay e, mamindrà fo.

Diso izahay : -- Tsy nangala honon-draha,
-- Ka tsy nahatsiaro teña,
-- Tsy nandray andraikitra,
-- Ka namono firenena.

Kristy ô !Kristy ô !Kristy ô ! (in-3)
Mamindrà fo aminay e ! Mamindra fo (2)
Kristy ô ! - Mamindrà fo aminay e ! Mamindra fo !

Diso izahay : -- Tsy niara-nisalahy,
-- Fa nifampitora-bato,
-- Tsy nifamindra fo,
-- Ka nanimba Fiangonana !

Tompo ô ! Tompo ô ! (in-3)
Mamindrà fo aminay e, mamindrà fo (2).

Diso izahay : -- Tsy nañeky lehibe,
-- Ka nañamavo Anao,
-- Nitsitôkantôkaña,
-- Tsy tontosa ny irakao.

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 217
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089