Malilo

(Bema)

Malilo, malilo aminao (in-2)
Zañahary Tomponay e e!

Ianao no mpahary, fitiavana, mpiantso anay e !
Diso zahay niteliñy ny hafatrao o o !

Ianao nanambara ny lalan-kizoranay e e e !
Diso zahay fa nifidy lalan-kafa e e e !

Kristy nampianatra anay mba hifanompo o o !
Diso zahay fa mitady ho Tompoina e e !

Kristy novonoina, nofantsihana ho anay e e !
Diso zahay tsy nahay nifankatia e e !

Kristy nampianatra ho tia ny fahavalo o o !
Diso zahay tsy nitia ny havanay e e !

Kristy nampianatra anay hanetry tena e e !
Diso zahay fa nitady ho deraina e e !

Nomenao ny fanahy ny olom-boafidinao o o !
Diso zahay tsy nahay nifampatoky.

Izahay tsy mba mendrika hantsoina ho zanakao o o !
Mba raiso zahay ka ataovy mpanomponao o o !

Ny indrafonao manambara ny haben'ny fitiavanao o o !
Tsofy rano zahay hanao zay sitrakao o o !

-- Malilo, malilo aminao Zañahary
-- Tomponay e (in-telo).

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 214
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.054