Indro ny raozy

(Laurence)

Indro ny Raozy voleko ho anao,
Ö ! Maria Reniko,
Indro ny foko, atokako ho anao,
Ho anao ho doria,
Satriko foana ho eo anilanao,
Sy ho eo an-tratranao.
Ô ! Santa Maria Virginia (in-2).

Ny androko rehetra natokako no anao,
Mba tantano aho Reniko,
Ianao no manda fiarovako atý,
Vatolampy iorenako,
Ampio aho ry Reny, aza avelanao irery,
Zanakao izahay etý,
Ô ! Santa Maria Virginia (in-2).

Sambatra sy tretrika aho ry Neny malala,
Mibanjina ny sarinao,
Toa miantso hoe :
Avia eto anilako Ianao,
Ô ry zanako malalako;
Voninkazo midorehitra manintona ny saiko;
Manodidina ny sarinao :
Ô ! Santa Maria Virginia (in-2).

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 164
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0669