Eo akaikinao

(Michaël)

Eo akaikinao ry Reny maminay,
Mitalaho aminao ny zanakao,
Henoy re ny vavakay,
Topazo fó antra izahay.

Ianao no fanantenana,
Ho anay manara-dia an’i Jesoa,
Tsimbino re ny fikasanay,
Mba ho tody soa izahay.

Raha ny hiala eo akaikinao,
Dia tsy ho hisy izany, sanatria,
Nefa tohano hatrany hatrany,
Mba hiaina am-piadanana izahay.

Mampitebiteby anay,
Zao andro miharatsy izao,
Herezo ry Reny malalanay,
Tsimbino, hartrany ny fiainanay.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 163
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092