Ave ! Maria !

(Laurence)

Ave ! Maria ! (Ave ! Maria !),
Ilay Mpanjakavavy,
Mpanjaka sy Reninay ô !

Hoby an-kafaliana anie no atolotray Anao,
Nitory ny fibebahana ho anay zanakao,
Sy halemem-panahy, ho santatr’irony lanitra ô.!

Deraina sy ankalazaina Ianao ry Maria Reninay,
Mitondra ny hafatray amin’i Jesoa Zanakao,
Fisaorana sesehena anie no atolotray Anao ô !

Jesoa Tomponay, raiso re izahay,
Fa zandrinao tsy soronana, mangataka famelàna,
Mivalo izahay Tompo ô, mamelà ny helokay ô !

Ry Fanahy Masina ô, misaotra Anao ‘zahay
Fa Loharanon’ny aina, nanome ny fiainana.
Dera sy laza anie no atolotray anao ô !

Nankinina aminao ity Nosy maminay ity,
Arovy sy tsimbino ary ivavaho
Amin’i Jesoa Zanakao, ry Reny tianay ô !

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 163
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.068