Asandratray ny feo

(Laurence)

Asandratray ny feo,
Mankalaza anao Maria,
Dera sy laza anie ho anao mandrakizay.

Satriko foana endre !
Ny ho eo anilanao Maria,
Etsy trotroiko ianao,
Ho eto an-tratrako mandrakizay.

Ry Reny tiako,
Sy ilay feno hasoavana รด !
Henoy re ny antsom-pitia,
Miandrandra anao Maria.

Avia ry Reniko, Avia mba ho eto aminay,
Arovy sy mba tantano,
Aza avela irery izahay;
Ianao no ampinga mahery,
Mpiaro anay zanakao,
Avia re ! Avia ry Reniko. (in-2).

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 162
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.081