Ry Reny be finoana

(Omer)

Mankalaza anao izahay ry Maria,
Fa ny finoana niainanao tokoa
No fianarana atolotrao ho anay.
Fa Fiangonan’ny olona mino izahay,
Sitrak'Andriamanitra tokoa Ianao,
Ka antsoinay taranaka anio hoe « sambatra »
Fa Fiangonan'ny olona mino izahay.

Ry Reny be finoana, indreto izahay zanakao,
Mianatra anao mba hahay manaiky ny Tompo;
Ianao ilay nanaiky ny teny natao taminao
Tsy famantarana ...fa finoana ijoroana.

Fa zava-dehibe no nataon'Ilay Mahefa taminao,
Voatsinjony tokoa izany fietren-tenanao.
Ianao no nahazoanay ny Mpamonjy,
Midera anao ...izahay ry Maria.

Ry Reny, be fitiavana izahay koa izao,
Miezaka mitia ny Fiangonana Vatan'ny Tompo;
Ianao ilay Reny natolony ho Reninay,
Fiangonana... Mpianany tiany.

Na hafaliana na misy izay maha-ory,
Tsaroanay Ianao ka ianteherana hatrany,
Na fahanginana na misy koa izay ambara.
Ianao ry Maria... Fianarana tsara.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 159
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1941