Vavaky ny komitim-piangonana

Andriamanitra Rainay ô,
nomenao anay tamin'ny Batemy
sy tamin'ny Fankaherezana
ny Fanahy maha-zanakao anay
ao amin'i Jesoa Kristy,
koa ataovy lavorary ao am-ponay ny Fanahy maha-zanaka,
dia hizotra amin'ny lalana niantsoanao anay izahay.
Enga anie ny Fanahy Masina
handatsaka ato aminay
ny afom-pitiavana ny vahoakanao,
ka hitarika azy ho amin'ny mazava,
hitondra herim-po ho an'ireo misalasala,
hampody an'ireo mbola lavitra Anao,
sy hitory fifankatiavana amin'ireo misara-kevitra.

Manome toky Anao izahay
fa ho vavolombelon'i Kristy Zanakao
eo am-panaovana ny asanao masina,
amin'ny fandavorariana
sy fampivoarana ny olona rehetra,
indrindra ny Fiangonanao
eto anivon'izao tontolo izao.

Tompo ô,
tianao ny Fiangonanao:
hamafiso
sy diovy amin'ny herin'ny Teninao izy,
ary ankeherezo
sy omeo aim-baovao isan'andro.
Hainao ny mampiova ny fo
sy manazava ny saina:
koa esory eto aminay ny fialonana
sy ny fitiavan-tena.

Tompo Andriamanitra ô,
mba ataovy mahita fanampiana
amin'ny vavak'i Md. Piera sy Paoly izahay:
fa izy ireo no nataonao vatolampy ifaharan'ny finoanay
sy vavolombelona
miantoka ny firaisan'ny Fiangonanao;
koa ataovy manaraka ny fitsipi-pinoana navelany izahay.

Loharanon'Aina tsy mety ritra Ianao, ry Tompo,
koa tahio ny pretranay ho masina.
Herezo ny vahoakanao eto amin'ny fiangonana misy anay,
tsimbino ny fianakavianay,
ary izahay rehetra ankaherezin'ny ainao anie
hifarimbona hanatanteraka ny asanao mpahary.

Ho Anao anie
ny dera sy ny voninahitra mandrakizay.
Amen
Nampiditra admin
Sokajy Samihafa
Vavaka sy Hira p. 41
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0226