Vavaky ny Sinaody 2021-2023

Vavaky ny sinaody

Ry Fanahy Masina ô,
Indreto izahay tafavory eto anoloanao amin'ny Anaranao.
Miaraka Aminao izahay mba hanoro dia anay,
Ataovy tonga trano fonenanao ny fonay,
Ampianaro anay ny làlana tokony harahina,
Sy ny fomba hanarahana azy.

Osa sy mpanota izahay,
Ka aza avela hivoy ny fanakorontanana.
Aza avela hitarika anay ho any amin'ny lalan-dratsy
ny tsy fahalalana.

Ary ny sasany mba tsy ho any amin'ny fitsitokotokoana.
Ataovy mahita ny fiombonana ao Aminao izahay,
Mba ho afaka hiara-hizotra
mankany amin'ny fiainana mandrakizay,
Ary tsy hiala ny lala-marina sy mahitsy.

Izany rehetra izany no angatahinay Aminao,
Izay miasa amin'ny toerana sy ny fotoana rehetra,
Miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka,
Amin'ny taona rehetra mandrakizay.

Amen.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.039