Mahery tokoa re !

(Jean Louis Tombolaza)

Tsy tambo isaina ny tsilo teny an-dalana,
Betsaka koa ireo lavadavaka,
Niezaka ny handavo sy handringana ahy,
Fa teo Ianao ry Tompo ô,
Nitantana ny diako, hatramin'izao, ouh ! ouh ! ouh !

Mahery tokoa re ny antsonao,
Mahery tokoa re ny fitiananao.
Fa nahatrika ity mpanotanao.
Hamaly ny antsonao, hanohy ny asanao,
Ry Tompo ô, Inty aho, iraho aho.

Maro koa ireo olon-dratsy,
Vehivavy tsy maotina, lehilahy mpamitaka,
Niezaka hanakana ny diako,
Fa Ianao irery, dia irery ihany,
No safidiko, ry Tompo ô.

Voatariky ny asa mahavariana aho teo aloha,
Asam-panjakàna, asam-pilàna,
S'ireo volabe, sy fananam-be ireny,
Fa Ianao anefa no tena harem-be,
Sy mahavoka-be, ry Tompo ô.

Koa inty aho ry Tompo ô, vonona hisafidy,
Hanaraka Anao, na ho aiza halehanao,
Na mamy na mangidy ny fiainanao,
Hizorako hatrany, hanara-dia Anao,
Satria ny ainao no aiko.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 137
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088