Andeha an-tsitrapo

(Auguste Roby)

Nandao anareo aho ry Dada,
Nandao anareo aho ry Neny;
Nandeha an-tsitrapo, hamaly ny antso,
Hanara-dia an'i JESOA !

Mibitsika mangina ao anaty,
Anaty ny foko tsy miloaka,
Ilay feon'ny Fanahy Masina,
Maniraka hitory ny Evanjely.
(Tantano aho Jesoa ! mba tsy ho diso lalana),
Ampio finoana ho tody soa eo anilanao aho.
Mifankatiava ianareo, mifankatiava, (in-2)
Izany no didy navelako; (in-2)
Ataovy ho tonga mpianatro (in-2)
Ny firenena rehetra. (in-2)

Midera Anao aho ry Ray Mpahary
Nifidy ahy ho mpiandry ondrinao;
Ho mpiandry mahatoky tsy hivadika,
Hahery fo tsy ho mora kivy.
(Isaorako Ianao, be indra-fo sy fitiavana)
Nifidy ahy ho Apôstôly, mpizara famonjena.
Mifankatiava ianareo, mifankatiava, (in-2)
Izany no didy navelako: (in-2)
“Ataovy ho tonga mpianatro (in-2)
Ny firenena rehetra”. (in-2)

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 135
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0194