Mirosoa

(Mathieu)

Mandrosoa eny amin’ny lalina (Lk. 5, 4)
Aza manana ahiahy,
«Alatsaho ny harato», miasà
Izaho Tomponao no miteny
Ny finoanao iriko ho velona (bis)
‘Ndeha ianao, halalino ny finoanao, mirosoa
Iaino, dia izarao ny namana
Hirahiko ianao, «hanarato olona» (Lk. 5, 10)
Raha sitrakao, homba anao aho
Hiroso aho ! -- Hiroso amin’ny lalina aho !
Noho ny Teninao ! -- Hiroso amin’ny lalina aho !

Feo tokana : -- Alatsaho ary ny harato e
Mirosoa amin’ny lalina e

«Niasa mafy anie ‘zahay,
Nandany ny alinay tontolo,
Tsisy vokatra azonay, mandreraka,
Na hazandrano iray akory e !
Fa hody tanam-polo e, izahay Tompo ô» (bis) Lk. 5, 5a

«Noho ny Teninao anefa »,
Hiroso ihany izaho, « halatsako ny harato ». (Lk. 5, 5b)
Na tsy eken’ny saim-pahazarako,
Handroso eny amin’ny lalina aho,
Ampio aho hiaina ny finoako.

N’ fisasaranao, tontolon’ny alina,
Raha tsy homban’Izy Tompo,
Dia ho sasa-poana ianao. Ka miandrasa !
Izy handalo, hampianatra, hitory.
Hiditra amy fiainanao, hibaiko izay hataonao.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 133
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0596