Fiantsoan'Andriamanitra

(Mathieu)

Ny fiantsoan’Andriamanitra
Toa tsotra fa manintona
Fahasoavan-tsesehena anie
Homena ireo izay maharitra
‘Reo fo voasedran-java-tsarotra (in-2 ).

Ry Jesoa ô ambeno re,
Amy dia ‘ty zandrinao e !
Fa mianatra mandeha anie aho,
Sao lavo in-droa, in-telo tofoka. (in-2 ).

Any i Dada, any i Neny izay,
Omeo faharetana;
Ireo zoky tsy hadinoko, sy zandry ary ny sakaizako
Mpanao soa ahy sy ireo hafa koa. (in-2 ).

Masina Maria, Reny ô !
Tolory tànana izahay e !
Fa zanakao mila tantànana,
Tanoranao mora mivadika ! (in-2 ).

Any izay ilay tanànako,
Sakelidalana falehako,
‘Zay fonenam-pahazazana,
‘Lay fihirana raha diavolana
Reo tendrombohitra ala maitso koa. (in-2 ).

Fa fiantsoana zava-tsarotra,
Mila fandaoza-matotra,
Ka raha tsy ny herin’ny Fanahy anie
Dia zava-poana izay rehetra hatao. (in-2 ).

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 133
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087