Antson’i Jesoa

(Michaël)

Isan’andro iainan’ny olona,
No miantso hatrany i Jesoa,
Ao anaty feo mifamaho,
No iandrasanay ny anjaranay.

Olona maro sesehena,
No nofidinao, ry Jesoa,
Omeo hery izahay,
Hamaly ny antsonao.

Midadasika ny saha,
Iraofan’ny ondrinao mahantra,
Iraho ry Jesoa, ireo tianao,
Iraho amin’ny Malagasinao.

Niala ny akany nahabe,
Namoy ny zava-drehetra,
Mba ho Anao irery anie,
Ny fonay, ry Jesoa ô !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 132
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729