Tompo ô ! Inty aho

(Omer)

Tompo ô ! Inty aho !
Tompo ô ! Hanolo-tena ho Anao,
Tompo ô ! Raiso !
Raiso aho fa niriko ny ho namanao.

Ny hanao ny sitrakao, -- Mba mamiko e !
Ny hampanjaka ny anaranao. -- Mba tiako e !
Ka mba tantano aho.

Ho mpitondra ny hafatrao,
Hanambara ny teninao.
Ka mba tantano aho.

Hankalaza ireo asanao,
Ary hibanjina ny hatsaranao.
Ka mba tantano aho.

Hampiray ny vahoakanao,
Hampifankatia ny rehetra.
Ka mba tantano aho.

Ho vavolombelon'ny fitiavanao,
Fitiavana namonjenao anay.
Ka mba tantano aho.

Hizara ny aina avy aminao,
Hankahery amin’ny alalan'ny Fanahinao.
Ka mba tantano aho.

Ho fahazavan'izao tontolo izao,
Ary ny fanasin'ny tany.
Ka mba tantano aho.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 130
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765