Indro ataoko eo am-bavanao

Nampiditra: admin
Sokajy: Antson'Andriamanitra,


  • Karine Dera p. "416
  • Antsao ny Tompo p. "127

(Omer)

Indro !
Indro ataoko eo am-bavanao
Ny Teniko ! e ! e ! ia !

Efa fantatro ianao
Hatrany an-kibon-dreninao,
Mbola tsy teraka
Dia efa nohamariniko.
-- Nofidiko ianao
-- Ka notendreko :
-- Ho mpaminany,
-- Ho mpaminany,
-- Ho an'ny firenena.

Mandehana ianao
Amin’izay hanirahako anao,
Hitory ny Teniko
Sy izay handidiako anao.
-- Aza manana tahotra
-- An'izay manohitra anao
-- Fa homba anao Aho,
-- Hamonjy anao,
-- ‘Zaho Tompo Andriamanitra a !

Ka izay mandray ny Teniko
Sy mitandrina Azy
Dia manorina trano
Eo ambony vatolampy.
-- Ka na mafy ny rivotra,
-- Tondraka ny rano,
-- Tsy hirodana ny trano
-- Satria miorina
-- Eo ambony vatolampy a !

Eny isaoranay Ianao ry Ray,
Nanome anay Ilay Teninao
Ho fanilo manazava
Sady Lalam-pahamarinana.
-- Ny Fanahinao Masina
-- No hany mampiteny
-- Ka ahafahanay midera
-- Mankalaza.
-- Aleloia a !


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay