Ry Ray ô !

(T. Julie Helmine)

Ry Ray ô ! ( Ry Ray ô ! ),
Ianao no nibitsika an'ireto mpanomponao,
Mba hanokan-tena ho Anao,
Enga anie ka ho mandrakizay.

Andro iray toa zato ny andro anio (o ! o ! o !).
Faly sy miramirana izahay;
Ka tantano sy vimbino ry Tompo ô !
Ny fanoloranay tena aminao.

Tsy miafina aminao ny fiainanay (o ! o ! o !).
Nefa nantsoinao ho irakao;
Ka ombao ny fahasoavanao hatrany,
Haharetanay amin'izany antsonao.

Raiso, anjakao ny tenanay (o ! o ! o !).
Fa efa voatokana ho Anao;
Koa ampio ry Maria Reninay ô !
Ny teninay tsy ho hadino, tsy ho lò.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 125
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087