Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo

(Athanas MAZAVA)

Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo ô !
Nañosotro zaho 'lay Zañahary e !
Hitory Vaovao Mahafaly
Hañambara ny Tenin'ny Tompo
Amin-drô malahelo ô ! Amin-drô masikiny e !
Amin-drô tôrotôro fô ô ! Amin-drô mbola andevo !
Amin-drô 'zay voagadra !

Ho avy taom-pahasoavaña, andro famaliaña,
Fa Yaveh Zañahary e, hañadoso ny fahoriaña,
Hanjary hafaliaña.

Diloilom-pifaliana, akanjo firavoravoaña
No entin'ny Zañahary e, hañôva ny harerahaña,
Handonaka ny tany.

Hanangana ny efa robaka, hañamboatra ny tanàna e !
Hivadika ny rasa, anarô tsy ho rerak'asa,
Olo hafa no hiasa tany e !
Ireo vahiny no ho tsy mañaja.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 123
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1108