Fahasoavan'ny Ray

(Mathieu)

« Fa ny fahasoavan’ny Ray
No naha toy izao ahy »
Ka inona moa hasetry an’izany ?
« Fisaorana feno mamonto fo ».

« Fantatray fa ny zavatra rehetra
Zavatra rehetra mitranga
Dia nataon’Izy Andriamanitra Ray
Nataony hahasoa izay tiany ».

« Sarobidy eo imasoko ianao
Manan-danja koa ny fisianao
Sady izaho rahateo miaro anao
Babonao ny foko tia anao aho ».

Impirimpiry akory moa aho
Saika potraka tsy hiarina !
Tolorany tànana, ary omeny hery
Hiainako indray miaraka aminy...

Fa (dia) lazainy indray aza
(F)’efa nitia ahy mialoha Izy.
Fony izaho tao am-bohoka mihitsy
No efa voaantso amin’ny anarako.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 123
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0259