Ianareo no fanasin’ny tany, ka tano tsy hivena

Nampiditra: admin
Sokajy: Antson'Andriamanitra,


  • Antsao ny Tompo p. "121

Ianareo no fanasin’ny tany
Fahazavan’izao tontolo (izao)
Ka tano tsy hivena
Izay niainanareo (in-3).

Raha ianareo no mijoro
Ho fahazavana hamirapiratra
Ho vatolampy mafy
Hiankinan’ny Fiangonana o o o.

Raha ianareo koa mijoro
Ho fanasina hanamasina
Ho tò ilay faminaniana
Miandry fotoana hitsiriana o o o.

Mahereza re ianareo
Tsy handraraka ilo mby an-doha
Tohizo hatrany re ny dia
Ho toky hiparitahan’ny Evanjely o o o.

Aza avela hatsatso Tompo ô
Ilay sira izay nafafy
Aza avela ho faty Tompo ô
Hanazava ny tontolo o o o.

(Mathieu)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0077 s.] - Hanohana anay