Inty aho Tompo, manolo-tena

(Nirina Ramalala)

Nampahafantarinao ahy, Raiko ô,
Ny lalana niantsoanao ahy,
Ka nahatonga ‘zaho zanakao,
Namaly ny antsonao niantefa tamiko,
Sy iezahako manompo Anao,
Ny sitraponao anie no sitrapoko.

Koa mba atsilovy ahy ny taratrao e,
Hanazava ny lalako o o !
Aza avelanao hiondrika, amin’ny ratsy vitako aho.
Tsoriko marina Aminao e,
Fa ny foko babonao,
Koa inty aho, Tompo ô, manolo-tena ho Anao.
Koa inty aho, Tompo ô, raiso re raha sitrakao,
Mba raiso re, ho Anao.

Nampahafantarinao ahy, Raiko ô,
Ny anjara tianao ho ahy,
Ka nahatonga ‘zaho zanakao,
Niaina araka ny sitrakao,
Sy nitsanganako nanohy ny dia,
Nikatsaka izay anjarako ho doria.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 120
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092