Ianao ry Tompo Andriamanitra ô !

(Bernard Mbokony)

Ianao ry Tompo Andriamanitra ô !
No nametrahako ny aiko,
Sy tolorako ny fitiavako,
Ianao ry Tompo Andriamanitra ô !
No nahazoako ny famonjena
Ka nahatonga ahy ho zanakao.

Sambatra e, sambatra ny olona tia Anao,
Mametra-pahatokisana aminao,
Satria tsy mivadika Ianao,
Ka velon-kira midera Anao,
Andriamanitra ô ! velona Ianao.

Inty 'zaho ! inty 'zaho ! ry Andriamanitra ô !
Vonona ny hanao ny sitrakao,
Hitory ny fahamarinanao,
Tsy hitana manokana ato am-poko,
Ny fitiavana sy fahamarinanao,
Andriamanitra ô ! velona Ianao.

Inty ‘zaho ! inty 'zaho ! ry Andriamanitra ô !
Hitory ny tsy fivadihanao,
Hikezaka hanambara ny famonjena,
Tsy hanafina ny hatsaram-ponao,
Eo anivon’ny fivoriam-be.
Andriamanitra ô ! velona Ianao.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 119
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091