Tsy miangatra

Nampiditra: admin
Sokajy: Fisaorana,


  • Antsao ny Tompo p. "113

(Mathieu)

Mahay raha Anao rô Zañahary e
Ary mendrika hisaoranay Ianao
Hitanay eky ary tsapanay
Fô tsy miangatra Ianao e ia.

Hañeky Anao zaho Zañahary e
Fa Anao masiñy telinay
Laitry i Jesoa nitory anao ‘zay vao hainay e
Fô tsy miangatra Ianao e ia.

Ny fiaiñanay mijalijaly nahazo hery
Fô tsy mofo ihany hivilômanay e
Fa ao ilay Teninao izay mankahery e
Fô tsy miangatra Ianao e ia.

Zeñy edy raha volañinay e
Teña lany jijy izahay e
Tsy hitanay izay holazainay, hisaoranay e
Fô tsy miangatra Ianao e ia.

Misaotra anao e izahay e
Midera anao tsy am-bava foaña
Ny fo, ny saiña, ny fañahy i e e
Manontolo, midera anao.

I e e e ia
Midera anao izahay e
I e e e ia
Misaotra anao izahay e.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0335 s.] - Hanohana anay