Derainay, isaorana

Fonay falifaly, A Baba e ia!
Fonay ravoravo, A Baba e ia!
Ravoravo amin'ny fahasoavana amianao
Ny fitiavanao Baba e, lavorary, misaotra e!

Ny asanao mahagaga e ia! Mahavelôño ka misaotra e
Nahary ny tany sy ny lanitra: namorona ny zava-manana aina
Nampirotsaka ranon'ny mahaleñy: manodraka tany ivelomanay e!
Anao mbola mandray an-kafaliana ny mpanota mahatsiaro mibebaka e!
Anao mampiditry fahasoavana hatramin'ny taranaka arivo arivo ô

Ny asanao mahagaga e ia! Mahavelôño ka misaotra e!
(Derainay) Deraina e e , isaoranay!

1. Ny Ray mitantaña ny vahoaka: Isaoranay! Derainay!
Nandefa masoandro amintsika...
Miantso ny olona rehetra mba ho zanany...
Hiaina ao amin'Izy Tompo mandrakizay...
Deraina e e , isaoranay!

2. Deraina isaorana koa ny Zanaka Mpanavotra...
Ilay nandresy ny fahafatesana hamonjy atsika...
Ny teny naloaky ny vavany mahavelôño...
Fiadanana izay tao amin'Azy, namiany atsika...
Deraina e e , isaoranay!

3. Deraina , isaorana ny Fanahy nitaiza atsika...
Fa Izy mampiombona atsika jiaby amin'ny fitiavany...
Mandefa atsika amin'ny lala-marina hizorana...
Hanafaka atsika amin'ilay ratsy mangeja atsika...

Deraina e e , isaoranay!

Ny asanao mahagaga e ia! Mahavelôño ka misaotra e!

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2102