Anao Zañahary Babanay

Nampiditra: admin
Sokajy: Fisaorana,


  • Antsao ny Tompo p. "109

(Fr. Paulin T.)

Anao Zañahary e,
Anao Babanay mahagaga loatra e, ny asanao
Ireo zava-boary manontolo maha te-hidera.
Isaoranay Ianao o !

Isaoranay Ianao o !

Ny asa vitanao ô !
Anao nañano ny olombeloño,
Nataonao manam-pañahy e !
Nahary ny tongotro aman-tañaña;
Anao nañano ny raha jiaby e !
Na ny hita maso na ny tsy hita.
Isaoranay Ianao e !
Isaoranay e !
Isaoranay.

Ny asa vitanao ô !
Habakaba-manga mahavariaña,
Lakintaña jiaby amin’ny habakabaka;
Nañasaraka aliñy sy matsaña.
Anao nañano ny hazavaña,
Nañano davôlaña sy masôva.
Isaoranay Ianao e !
Isaoranay e !
Isaoranay.

Ny asa vitanao ô !
Nañano lohasaha sy renirano,
Ireo tendrombohitra sy ny havoaña.
Anao nañano ny ala,
Ny biby miveloño ao añatiny e !
Anao nañano ny ranomasiñy,
Hazan-drano jiaby ao añatiny e !
Anao nañano voromanidiñy.
Isaoranay Ianao e !
Isaoranay e !
Isaoranay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0954 s.] - Hanohana anay