Merci aminao Baba

(André Besabotsy)

Mankasitraka e,
Mankatelina Anao Ray ô,
Noho ny soa nafafinao Ray ô.

E e, navy ny tsara (in-2).
Merci aminao Baba (in-2).

Mañano ny lanitra e ia,
Ny fahazavana mbamin’ny kintana e e,
Nañano ny tany e ia,
Ny zaka jiaby eo aminy e.

Nampisy ny rivotra o ia,
Mamelombelona anay e,
Nañano ny rano,
Mandio anay e.

Nañamia an’i Jesoa ô ia,
Nañavotra ny olombelona,
Nampianatra anay hifankatia e ia
Handavorary ny fiainanay e.

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Antsao ny Tompo p. 104
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091