Be ankitiny ny Fitiavan-Jañahary - Fitiavan-Janahary

(Nirina Ramalala

Be ankitiny ny Fitiavan-Jañahary e,
Ndreky nalefany ny Zanakanazy tôkaña;
Nataony ho olombeloño, karaha antsika,
Mba handeha hañefa ny helokantsika, .

Mañanaova raha manjary antsika e ià,
F’asan-tañan-dRañahary ka Masiñy e ià,
Hararaoty ny fotoaña ipetrahana eto,
Hañanaovana ny tsara.

Ka mizaha sôra na mpañarivo, na masikiny eià,
Iray antsika jiaby ao amin’i Kristy.
Samy nandatsahany ny lionany tety an-tany,
Samy añamboarany toerana añ’abo añy.

Sarotro ô, ny miaiñy am-pinoana,
Mivavaha sy miambena lalandava,
F’efa nitsangana nandresy ny Tompo,
Aleloia ! Aleloia !
Aleloia ! Velona i Jesoa.

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Antsao ny Tompo p. 101
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102