Ô ry Maria ô! Voatendrin'Andrimanitra

Ô ry Maria ô,
Voatendrin'Andriamanitra handova
ny fiketrahan'i Davida razambeny
ny Zanakao,
Ka tsy hanam-pahataperana ny fanjakany

1. Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2. Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin'ny taranaka sambatra aho
Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
Ilay hoe: "Ny Masina" no anarany.

3. 'Lay mandrakizay ny indrafony
Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry,
Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.

4. Manongana ireo izay mpanjakazaka
Kanefa manandratra ireo ambany;
Manototra soa ireo noana
Fa mampody maina ireo mpanana.

5. Mpanarina an'Israely olony,
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny razantsika
Ho an'i Abrahama sy izay taranany.

6. 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio 'lay Zanany tia antsika
Ary koa ny Fanahy mampiray antsika,
Ho mandrakizay alaovalo!

Nampiditra admin
Ankalazao ny Tompo p. 430
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0458