Misaotra Anao Baba

(Bema)

Misaotra Anao ‘zaho zeñy Baba
Ry Tompon’ny tany aman-dañitra e !

Nafeninao ireo hendry sy ireo be saiñy,
Ny tsiambaratelon’ny Fanjakaña
Isaorako ny Añaranao ry Baba,
Fa izeñy no sitra-ponao.

Dia ireo madinika, sy olon-tsotra,
Ireo izay heverina ho mavomavo,
Nañambaranao ny zava-miafiña,
Ao amin’ny Fanjakanao.

Namian’ny Raiko zaho ny zaka jiaby,
Izaho sy ny Ray mifankatia.
Avia fa ho maivana izay mandreraka
Anarô vesaram-pahoriaña !

Ento ny jiogako, ka mianàra,
Malemy fañahy, manetry teña,
Dia hiadaña nyfañahinarô,
Raha ny fitiavako no manjaka.

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Antsao ny Tompo p. 99
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226