Voninahitra anie ho Anao, ry Trinite Masina - Hira Faneva fanamasinana Mgr Gabriel Randrianantenaina

1. Voninahitra anie ho Anao, ry Trinite Masina,
He! nohenoinao tokoa ny vavakay:
Nofidinao ny mpiandry ondry 
Hiasa amin'ny sahanao,
Hitantana am-pinoana ny vahoakanao.
Koa mendrika sy rariny raha mitodika Aminao,
Koa mba  raiso izao fisaoranay izao.

Mbola lavitra sady sarotra  ny lalana
Ka indraindray aho mety ho kivy, mety ho trotraka
Koa  mitoky tanteraka amin'ny fahasoavanao
Ray ô, aoka ny sitraponao no ho tanteraka fa tsy ny ahy

Koa tafio ny  herinao, Fanahy Masina,
Ho vonon-kanompo ny ondrinao, haharitra mivavaka
Ho feno hafaliana sy  zotom-po, hitia ny olon-drehetra
Jesoa ô, inty aho tolory Fanahy fahendrena 'ty mpanomponao

Matoky 'ty zanakao fa hotsimbininao
Ka misaotra e!
Mankasitraka, mankatelina noho ny fitiavanao!

 

2. Tahaka ny nanirahan'ny Ray ahy
No anirahako anareo
Fa izaho no nifidy anareo
Koa inty aho, ry Tompo, hotsilovin'ny teninao
Sy hotarihin'ny Fanahy Masina
Hanatanteraka ny sitraponao Andriamanitra
Ho afaka hamokatra bebe kokoa

3. Ireo pretra sy relijiozy, hiara-kisalahy,
Otronin'ny lahika hisikim-ponitra,
Hiasa amin'ny fo votom-pinoana,
Hampanjaka ny fahamarinanao
Hiombona izahay, hikatsaka ny sitraponao
Ny asanay rehetra, ho voninahitrao, ry Ray.

4. Mbola  maro, ry Ray, 'reo tsy mahalala Anao,
Mbola mitoetra ao anaty  haizina,
Nantsoinao aho, ary nirahinao
Hitory ny Vaovao Mahafaly
Hanambara ny teny soa amin'ireo madinika
Hamelona ny fanantenana

5. Masina Maria, ry Reny vonjy mahatoky
Sady Renin'ny Eglizy
Ianao no toky sy aronay:
Mivavaha ho anay
Ankinina aminao hatrany ity diosezy ity
Tariho re, fa mbola lavitra ny dia

 

Nampiditra admin
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091