Sambatra aho ry Tompo ô

Nampiditra: admin
Sokajy: Samihafa,


  • Antsao ny Tompo p. "75
  1. Ianao no vonjiko, heriko Ianao;
    Ianao no tokiko hivelomako.
     
  2. Ianao no mpiandry ahy, sambatra aho re,
    N'aiza n'aiza misy ahy ho mpanomponao.
     
  3. F'Ianao no masoandro mpanazava re.
    N'aiza n'aiza misy ahy, tsy ho maizina.
     
  4. F'Ianao no lalako, lalam-pamonjena;
    N'aiza n'aiza halehako, tsy ho very re.
     
  5. F'Ianao ry Tompo no mpiaro ahy;
    Sambatra mandrakizay fa navotanao.
     
  6. Voninahitra ho Anao, ho an'ny Ray koa;
    Saotra, haja, ho Anao Fanahy Masina.

Sambatra aho ry Tompo ô, faly handray Anao re.
Sambatra mandrakizay, ho eo anilanao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.2085 s.] - Hanohana anay