Zoky Be

1/ Ny làlanao.
Ô Zoky Be.
Tsy noheveriko.
Fiakaram-be.
    Tsembon-dratsy zaho diñiry
    Fa im-piry mila kivy
    Tonga saina mizaha ny làlanao
    Na madio ny fo sy saina
    Na atao ny tsy hitaraina
    Dia ampangaiña dia ampangaina.

2/Ny làlanao.
Ô Zokiko.
Maro fantsika.
Feno tsilo
    Zay tany jiaby hitsahiko.
    Feno fandrika avokoa.
    Tonga saina, mizaha ny làlanao.
    Mitandrin-tena efa aman-taoño.
    Reo mpisompatra eny foana.
    Minia mikimpy e, minia tsy tia

3/Ny làlanao.
Razoky tia.
Làlan-tsara e.
Tena fy
    Ka ampio izahay zandrinao.
    Hahery fo tahaka anao.
    Hitafy ny FITIAVANA.
    N’inona n’inona hitranga.
    N’inona n’inona hidona.
    Omeo FINOANA, FANANTENANA

 

Nampiditra admin
Sokajy Jesoa Kristy
Antsao ny Tompo p. 59
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099