Mandray Anao an-kafaliana

Jesoa Tomponay e !
Mpanjakanay Ianao, Mpanavotra e !
Entano ‘zahay vahoakanao
Ho faly hatrany eo Aminao.

  1. Mandray Anao an-kafaliana,
    Satria mino sy manantena
    Fa Ianao no be fahendrena,
    Hanafaka anay amin'ny fijaliana. (in-2).
  2. Mpanavotra amin'ny fahotana,
    Ary koa manadio ny heloka,
    Sady tsy mitana ny heloka,
    Fa mitaky mafy ny fibebahana. ( in-2 ).
  3. Tonga nitondra fiainam-baovao,
    Izany zazakely mpamonjy,
    Ka sambatra izay voavonjy,
    Fa indrindra amin'izao andro izao. ( in-2 ).
  4. Tonga nitondra fiainam-baovao,
    I Jesoa nitsangan-ko velona,
    Miravoa fa velom-panantenana,
    Ka ampitomboy mafy ny finoantsika. ( in-2 ).
Nampiditra admin
Sokajy Jesoa Kristy
Antsao ny Tompo p. 58
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221