Lehibe sy mahagaga ny asanao ry Ray,
Mahitsy sy marina ny lalanao;
F'efa miharihary ny fitsaranao.
Fa Ianao irery no Masina,
Ry Tomponay, Mpanjakanay rehetra.(in-2).
Ny voaharinao tontolo dia hanompo Anao,
Fa niteny Ianao dia nisy ireny;
Nalefanao ny Fanahinao dia voaorina izy ireny.
Fa Ianao irery no Masina,
Ry Tomponay, Mpanjakanay rehetra.(in-2).
Fa tsy misy mahatohitra ny feonao,
Na hihovitr(a)'aza ny rano eo anoloanao,
Fa Ianao dia antra fo am’zay matahotra Anao.
Fa Ianao irery no Masina,
Ry Tomponay, Mpanjakanay rehetra.(in-2).