Teny tonga Nofo

(1) Andriamanitra ny Ray, Jesoa Kristy sy Fanahy
* Andriamanitra ny Ray….

- Andriamanitra Izy Ray, Mpahary ny Tontolo e
- Toy izany re ny Zanaka fa Teny tonga nofo
- Ary koa ilay Fitiavana, Fanahy mampiray e
- Olon-telo tsy misaraka, fototra iavian’ny Soa e
Voninahitra ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy Fanahy.
* Ia e e e ia !

1. Tia antsika ny Ray, naharihariny izany
Fa ankoatry ny fahariana, dia nirahiny ny Zanany
Nahafoy koa ny Ainy, hampitohy Fihavanana.

Izay ilay Teny tonga nofo ho antsika e
Izay ilay Nofo tonga Mofo ho antsika e
Izay ilay Fitiavana tsy lany hamamiana e
Izay ilay Fitiavana tsy an-kamerina.

2. Fa mahatoky Andriamanitra, tamy tokoa ilay Zanaka
Teraka ary niray petsapetsa tamin’ny olona
Izay manaiky hitoetra ao Amiko,
Izaho koa hitoetra ao aminy.

Izay ao anatiko velon’aina tokoa e
Mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
Teny nahariana no manoro ny Ray e
Fanahy mampitraka, mampitodika amin’ny Ray.

Fiv 2 : (Beso) Jesoa tonga nofo
Niara nonina tamintsika ny Tompo e
(beso) Tsy miova Jesoa omaly, anio, mandrakizay e
-Voninahitra ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy Fanahy.

Ia e e e ia.

Tonga Nofo i Jesoa
Ho voninahitry ny Ray sy Fanahy.

Nampiditra admin
Sokajy Jesoa Kristy
Antsao ny Tompo p. 54
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0194