Jesoa tonga nofo

Jesoa Tompo « Teny tonga Nofo »
Tsy miova omaly, anio, mandrakizay.

Izy ilay Teny tao amin’ny Ray e
- Tsy miova ho mandrakizay
Teny nahariana izao rehetra izao
Nisy hatrany ampiandohana an.

F’Izy nanaiky hidina ety an-tany e
Hamitrana fihavanana amin’ny Ray e
Nomba Azy indrindra koa Ilay Fanahy e.

Manana isika amin’Ilay Andriamanitra
Fa ilay Teny e, nahariany antsika
* « Misia ny mazava !… »
No indro fa nirahiny e
Dia nitafy nofo, ra,
Niara-nonina tamintsika olombelona Izy e ia
-Hanambara amintsika ny halehiben’io Fitiavana io (in-2)
I Jesoa e.

« Aoka ny tany hamoaka zava-manan’aina !… »
« ‘Ndeha isika, hanao olona mitovy endrika amintsika !».

Fiv (2) : Izany no anisan’ny anton-diany tety e
Tanteraka taminy ireo fampanantenana.

-Handavorary ny fitiavantsika izay rava
Nohon’ny fahotan’i Adama e ia
- « Tsy sitrakao intsony Dada
‘zay biby hodorana hatao sorona…
- Inty aho hanao ny sitrakao hisolovoina ny fahotany… »

- Ny Aiko homeko azy ireo ho
« Tolotra indray mandeha monja »
- Ho voninahitra ho an’Izy Ray izay mpahary ny Tontolo
- Ho voninahitra koa ho an’ny Fanahy,
Mampiombona antsika rehetra
- Ho voninahitra ho azy Zanaka fa nandresy ny fankahalana.

Nampiditra admin
Sokajy Jesoa Kristy
Antsao ny Tompo p. 53
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009