Tonga Nofo ny Zanak'Andriamanitra ka nonina tety amintsika

Tonga Nofo ny Zanak'Andriamanitra e ià !
Ka nonina tety amintsika e ià !
Nibanjina ny voninahiny izahay.

  1. Eny Tompo ...e ia !
    Am-piadanana tokoa ankehitriny e,
    Andefasanao ity mpanomponao,
    Dia ho to izay voalazanao.
     
  2. Fa satria ...e ià !
    'Zany masoko mahita miharihary,
    'Zany famonjena 'zay nomaninao,
    Ho an'ireo firenen-drehetra e ià !
     
  3. Hazavana...e ià !
    Zay hanilo ny vahoka eran-tany,
    Fa kiady kosa sady reharehan'
    Israely vahoakanao...e ia !
     
  4. Eny Tompo ...e ià !
    Mendri-dera ny Fitiavanao anay,
    Fa nirahinao ho anay ny Zanakao,
    Hampiadana anay rehetra e ia !
Nampiditra admin
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 272
Antsao ny Tompo p. 45
Fihirana Vaovao p. 477
Vavaka sy Hira p. 437
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0689