Haravoaña
Haravoaña tsy hay fivolañana eky à Baba e e ià !
No ambaran'ny olom-boafidinao
Kay misaotra e e ià !
- Ny foko midera ny Tompontsika
 Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
 Noho Izy mpamonjy nitsinjo ahy
 ‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
 
- Fa indro manomboka ankehitriny
 Antsoin'ny taranaka sambatra aho
 Nahavita be tamiko ilay Mahefa
 Ilay hoe ny Masina no anarany.
 
- ‘Lay mandrakizay ny indrafony,
 Amin'ny olon-drehetra matahotra azy;
 ‘Lay Tompo mpandresy mahery sandry
 Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
 
- Manongana ireo ‘zay mpanjakazaka,
 Kanefa manandratra ireo ambany;
 Manototra soa ho an'ireo noana,
 Fa mampody maina an'ireo mpanana.
 
- Mpanarina an'Israely olony,
 Satria mahatsiaro ny indrafony,
 Nampanantenainy ny Razantsika,
 Ho an'i Abrahama sy ‘zay taranany.
 
- 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
 Hobio 'lay Zanany tonga Nofo,
 Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
 Ho mandrakizay alaovalo.

