Lazao aminy
Nampiditra: admin
Sokajy:
Antson'Andriamanitra,
Fanirahana,
Lazao aminy ny teniko
Na hihaino izy e
Na tsy hihaino, ilazao izy !
Mitsangana re ianao hirahiko
Fa hiteny aho e
Izaho Tomponao maniraka anao
- Dia niditra tato anatiko,
Ilay Fanahy sy Tompoko,
Niangavy sy nitalaho e !
Hitondrako ny Teniny.
- Ny Zanany efa maditra,
Tsy mahalala menatra,
Ireo no anirahako anao e !
Ilazao ihany izy e !
- Ary ianao tsy hatahotra azy,
Hombako hereziko,
Harovako amin’ny mafy ianao,
Tsy hangovitra anoloany.
- Ary ianao mitandrema tsara,
Sao hanahaka azy e !
Sokafy ny vava, ka hano re
Izay homeko anao.
- Dia natopiko tamin’izay re
Ny masoko ; tazako,
Taratasy no asainy hateliko,
Ho hanina hivelomako.
- Novelariny teo anoloako,
Hay tena mahonena be,
Fisaonana, fitomaniana tao,
Nombam-pitarainana.
- Izay ve ilay hoe amin’ny mangidy
No misy mamy e !
Nony injay ka nateliko hay tantely
Fa mamy ankafiziko.
- Eny e, hoezahiko Tompo ô !
Hamaly ny antsonao,
Omeo hery, tantano hatrany,
Fa vao hary elatra.
Inty aho Tompo ô, iraho aho.