Tongàva ianao malala

  1. Eny tsara tarehy ianao ry malalako,
    Masom-boromailala masonao, saronan’ny voalinao,
    Volonao tahaka ny andian’osivavy
    Miantsampitsampy eny an-tendrombohitra
    Tendrombohitr’i Libàna.

Tongàva ianao malala hamonjy ahy,
Fa mila anao tokoa anie ny tany,
Aza ela ianao ry tiana ka faingàna,
Fa mila anao tokoa anie ‘zahay.

Tazako eny lavitra ilay malalako,
Ka feno hafaliana ny foko
Mitondra zava-manitra hanondraka ny tany
Aleloia, ho an’Iaveh ô.

  1. Efa lasanao ry havako ny foko,
    Babonao tamy masonao, masonao indray mijery,
    Endrey izany hankanton’ny fitiavanao.
    Tsara loatra, tsara loatra mihoatra ny divay.

(Athanas Mazava)

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 39
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098