Mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy

Mahatoky Andriamanitra !
Ka tsy hamela anareo halaim-panahy,
Mihoatra izay zakanareo.
                Mahatoky Izy Andriamanitra e !
                Mahatoky Izy Andriamanitra !

  1. Tiako ny Tompo satria : ( in-2 )
    Nihaino ny antsoko nihanta taminy;
    Tiako ny Tompo satria :
    Tsy mba nanentsin-tadiñy e !
    Tamin'ny andro rehetra niantsoako ny vonjiny. (in-2)
    Tiako e ny Tompo e! (in-telo).
  2. Saron'ny haizina ny aiko ô !
    Latsaka ambovon’ny fahafatesana;
    Tojon'ity fahoriana,
    Velona ny tebiteby e !
    Indro aho nitady ny Tompo, niantso ny anarany. ( in-2 )
    Tiako e ! ny Tompo e !
  3. Tompo ô, vonjeo 'ty 'zaho ô ! ( in-2 )
    Ny Tompo miantra sy tena marina;
    Izy mangoraka antsika,
    Aron'ireo olon-tsotra.
    Fony aho nalemy dia indro fa nohatanjahiny ( in-2 )
    Tiako e ! ny Tompo e ! (in-3).
  4. Aoka hatoky ny aiko ô ! ( in-2 )
    F’ianao tian'ny Tompo ka he hasoaviny
    Izy nanafaka e ! anao ô !
    Velona tsy mba ho faty e !
    Tsy mba tomany na mifendrofendro ny masoko (in-2)
    Tiako e ! ny Tompo e ! (in-3).
  5. Entiny aho mba hamindra (in-2 )
    Tsy ho tafintohina eo anatrehany
    Roso fa velona indray e !
    Tiako Andriamanitra Raiko ô !
    Zanany namonjy ahy, nanome ny Fanahiny (in-2 )
    Tiako e ! ny Tompo e ! (in-2).
Nampiditra admin
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 524
Antsao ny Tompo p. 31
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093