Voninahitra ho Anao Baba
Nampiditra: admin
Sokajy:
Salamo,
Voninahitra a voninahitra
Voninahitra ho Anao Baba,
Sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masiny
Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny e
Sy mandrakizay, mandrakizay; amen e e.
- Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo
Ka fo falifaly anompoana ny Tompo,
Tongava eo aminy mihira, miravo.
- Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
Fa azy isika satria nohariany
Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
- Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
Ny ao an-kianjany idiro amin-dera :
Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.
- Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
Amy taona rehetra ny fahamarinany.
- Andeha ‘sika hiara-mitsaoka ny Tompo,
Hihoby ilay Zanany ombam-pahefana,
Derao ny Fanahy manamasina antsika.