Sambatra ireo izay moniñy
Nampiditra: admin
Sokajy:
Salamo,
Sambatra ireo izay moniñy ao an-trañonao ry Tompo
Sambatra e e ia (tena sambatra e e ia)
Sambatra ireo izay moniñy ao an-trañonao ry Tompo
Sambatra teña sambatra e ià.
Sambatra e ià, sambatra ireo izay moniñy ao an-trañonao.
- E ! Tena tsara ny fonenanao o o !
Ry Tompo Zañaharin'ny raha jiaby e ia !
Manemboño Anao lalandava ny foko,
Misento maniry ny kianjanao ô ia !
- Ny voro-manidina mahita fonenana à à !
Dia torak'izany koa ireo fody ô ia !
Mipetraka anilan'ny Ôtelinao o o !
Ry Tompo Mpanjakan'ny tany jiaby.
- E ! Sambatra ireo vahoakanao o o !
'Zay mbola mahazo midera Anao ô ia !
E ! Sambatra ireo izay miankiñy aminao o !
Ny lalana misokatra ao am-pony e e ia !
- Ny tany maiñy dia indro zahao o o !
Dia miboika rano mangala hetaheta e ia !
Lasa tso-drano ny voalohan'oraña a a !
Milatsaka mora sy mamelombeloño ô ia !
- E ! fa mitombo tokoa ny hery e ia !
Matoky hahita ny Tompo ao Siôna e ia !
Ry Tompo mahery tandriñeso ny vavako o o !
Dia tandriñeso Andriamanitr'i Jakôba ô ia !
- Ianao re ry Tompo no ampinga sy aro o o !
Tsinjovy ilay voahosotrao ô ia !
Aleo andro araiky ao an-kianjanao o o !
Toy izay andro arivo an-tany hafa ô ia !
- Aleoko mipetraka an-tamiañanao o o !
Toy izay amin'ny lain'izay ratsy fañahy e ia !
(Ka) Masôva sy ampinga ny Tompontsika à à !
Mañamia zava-tsoa ny olo-mahitsy e ia !
Ry Tompon'ireo fahefaña sy hery e ià !
E sambatra ny oloño matoky Anao ô ià !
Sahöry ny Ray izay tia antsika a a !
Ny Zanaka sy ny Fanahy Mpankahery e ia !