Anareo ny zavatra rehetra ianareo kosa an'i Kristy

Nampiditra: admin
Sokajy: Salamo,


  • Antsao ny Tompo p. "27

Anareo ny zavatra rehetra, ianareo kosa an'i Kristy,
Ary i Kristy an'Andriamanitra ! (I Kor 3, 22-23).

  1. Hiantran'Andriamanitra anie isika hotsimbininy,
    Dia hataony mamiratra eo amintsika ny tavany.
  2. Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
    Ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao.
  3. Ny vahoaka rehetra enga anie hidera Andriamanitra ô !
    Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao.
  4. Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
    Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
  5. Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny,
    Sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony.
  6. Ny vahoaka rehetra enga anie hidera Andriamanitra ô !
    Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao.
  7. Fa ny tany volena, tsy misy izay tsy mamokatra,
    Andriamanitra manko Andriamanitsika mitsimbina.
  8. Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
    Ka ho masina eran’ny vazantany ny Anarany.
  9. Voninahitra anie ho an’ny Ray nandefa ny Zanany,
    ‘Zay nomeny hanasoavany antsika noho ny fitiavany.

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay