Aza ny lohasaha mangina

Aza ny lohasaha mangina no jerena
Fa Andriamanitra an-tampon'ny loha e
Raiso am-pitiavana koa ny mahantra
Fa endrik'Andriamanitra anie izy ireny.


1.    Ny adala manao Andriamani-tsy misy e,
Fa simba tokoa ny fisainan’ireny,
Toetra lomorina, asa tsy mety,
Tsy misy olo-marina intsony mihitsy e.


2.    Fa indro eny an-danitra ambony ny Tompo,
Mitazana ny olon-drehetra eto an-tany,
Sao dia mba misy olon-kendry am’ireo,
Dia olo-misaina mitady ny Tompo.


3.    Kinanjo tsy nisy olombanona akory,
Tsy nisy na iray aza olo-mahitsy;
Tsy nisy azo an-tsaina ho manam-panahy
Fa olon-tsy mendrika izy rehetra.


4.    Angaha moa tsy fantatr’ireo olon-dratsy
« Vahoakako anie no ataony sakafo »
Vahoaka madinika ataony fanosy;
Dia fady azy ireo ‘zay mba hiantso ny Tompo.


5.    Indreo fa nangovitra teo ry zareo
Satria teo anivon’ny tsotra ny Tompo;
« Ho sahinareo ve ny hanosy ny ory
Kanefa ny Tompo miandany amin’ireny ! ».


6.    Rarina ho afaka ianano, ry Siona
Rehefa hampodina avokoa ‘reo izay babo !
Lanonana moa izany hataon-dry Jakoba !
Endrey ny hafaliana amin-dry Israely !


7.    Ho Anao, Ray Mahery, ‘lay fefin’ny ory
Ho Anao re, ry Fahamarinan’ny Ray,
Ry ‘Lay Mpanambara ny asan’ny Tompo,
Henoy re fa antsa no ventesinay !

Nampiditra admin
Sokajy Salamo
Antsao ny Tompo p. 25
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2005