Fa tsy hoe hahita ny rano fisotro

1. Fa tsy hoe hahita ny rano fisotro,
Higoka ny mamy ho anao samirery,
Tsy izay no manosika antsika isan'andro,
Fa raha izay e: fitiavan-tena

Tsy hoe manantena ny takalom-patsa,
Tsy hoe sasa-miandry ny "atero ka alao",
Tsy izay no mangaika hitiavana ny olona,
Fa raha izay e: fitiavan-tena

Jesoa Kristy Tompontsika ô,
raha nihaona tamin'ilay samaritanina
Izy Andriamanitra nanaka-dresaka,
Resaka hatrany amin'ny ati-fanahy
Dia tonga hanazava ny fo sy ny saina ô,
hangetaheta ny fianan'ny Tompo,
Teraka teo ny Fanantenana,
Hangetaheta ny fiainan'ny Tompo ô
Teraka teo ny Fanantenana,
Hangetaheta ny fiainan'ny Tompo
Teraka teo ny Fanantenana,
Hangetaheta ny fiainan'ny Tompo ô

Jesoa Kristy Tompontsika ô,
Ankehitriny Izy mitady anao,
Izy no tonga mitafa aminao o
Resaka tsotra ilazany hoe:

"Raha fantatrao manko ny fanomezan'Andriamanitrao ô
Raha fantatrao ô!
Dia ho ianao no hangetaheta,
Hangetaheta ny fiainan'ny Tompo
Dia ho ianao no hangetaheta,
Hangetaheta ny fiainan'ny Tompo ô"

Jesoa Kristy Tompontsika ô,
Dia fanomezan'Andriamanitsika
Jesoa Kristy Tompontsika ô,
Fiainantsika Izy e!

2. Fa tsy hoe hitsipaka ny ara-panahy,
Hanidy fo tsy hidiran'ny Tompo,
Tsy izay no mampiadana antsika olombelona,
Fa raha izay e: kipantsona foana a

Tsy hoe toy ny sakamalao sy havozo,
Tsy sasanangy mandrirotra ho azy,
Tsy izay Izy Tompo sy ny fiainantsika,
Fa raha izay e: kipantsona foana a

Jesoa Kristy Tompontsika ô,
Dia fanomezan'Andriamanitsika
Jesoa Kristy Tompontsika ô,
Fiainantsika Izy e

Jesoa Kristy Tompontsika ô,
raha nihaona tamin'ilay samaritana
Izy Andriamanitra nanaka-dresaka,
Resaka hatrany amin'ny ati-fanahy
Dia tonga hanazava ny fo sy ny saina ô,
hangetaheta ny fianan'ny Tompo,
Teraka teo ny Fanantenana,
Hangetaheta ny fiainan'ny Tompo ô
Teraka teo ny Fanantenana,
Hangetaheta ny fiainan'ny Tompo
Teraka teo ny Fanantenana,
Hangetaheta ny fiainan'ny Tompo ô!

Jesoa Kristy Tompontsika ô,
Ankehitriny Izy mitady anao,
Izy no tonga mitafa aminao o
Resaka tsotra ilazany hoe:

"Raha fantatrao manko ny fanomezan'Andriamanitrao ô
Raha fantatrao ô!
Dia ho ianao no hangetaheta,
Hangetaheta ny fiainan'ny Tompo
Dia ho ianao no hangetaheta,
Hangetaheta ny fiainan'ny Tompo ô"

Jesoa Kristy Tompontsika ô,
Dia fanomezan'Andriamanitsika
Jesoa Kristy Tompontsika ô,
Fiainantsika Izy  e!

Nampiditra admin
Sokajy Jesoa Kristy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227