Ry Maria mpanjakavavinay

1. Ry Maria mpanjakavavinay ô
Midera anao izahay
Mankalaza anao izahay
Ry Reny be fitiavana anay .

Mba tantano re ny dianay
Angataho amin'i Jesoa
Zanakao le mandritra ny fiainanay isan'andro.

2- Ry Renin'i Kristy zokinay ô
Mpanjakavavin'ny Apostoly
Mba tantano sy arovy Izahay zanakao

3- Matoky ny fitiavanao ny fonay
Ry Maria Renin'ny Fiangonanay
Mba arovy ny nosinay Madagasikara
O ry Reny be fahasoavana.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 156
Karine Dera p. 540
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094