Isaoranay ny Anaranao, ry Ray

1- Isaoranay ny anaranao, ry Ray ô
    Fa lehibe ny fitiavanao anay
    Satria ny teninao 'zay tonga nofo
    Ka niara-nonina taminay

2- Isaoranay ny anaranao, ry Tompo
    Tao aminao nitoeran'ilay Teny Satria
    Ianao ry Ray 'zay Tompon-teny
    'Zay niara-nonina taminay

    Tsy vitan'ny fonenana ihany
    Fa nampijoro ny Fiangonana
    Sy nahatonga ny Eglizy, nihavao hatrany
    Tsy nety tonta mandrakizay.


Fiv: Zanahary ô mba tahio
        Ny fiainanay Tanora mba ho tia Anao
        Ho voninahitry ny Ray mandrakizay e
        Ho reharehan'i Jesoa Tompo koa
        Ka ho falifaly ny Fanahy Masina

Nampiditra hery
Sokajy Fisaorana
Antsao ny Tompo p. 177
Karine Dera p. 521
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092